LLBMGFRANCE

30ème Anniversaire

 

 

Contact

Le programme

Cette année 2020, notre association, « Ligue pour la Lecture de la Bible Section Malgache en France » (LLBMGFRANCE) célèbre ses 30 ans.
Thème : « Croire, servir, grandir ».
– Hira faneva Hymne : (compositeur : Pasteur Solo Andrianomenjanahary; solfège : Njato Ranaivoson)

« Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalàna an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy » 2 Pet 3.18

FA MITOMBOA

Ndreto izahay mpanompon’ny tenin’Andriamanitra
Efa babon’ny Tompo ka manompo amin’ny fo
Tsy manavaka fiangonana raha Jeso no fototra
Izy no manentana sy maniraka anay

Ny Fanahy izay napetrany ao ampo no herinay
Mampiombona anay samihafa nefa Iray
Andry ho an’ny fiangonana tarigetra raisinay
Ho voatory ny fitia-van’ny Tompo no manery anay

Tsy mitsahatra mitombo amin’ny fahasoavana
Sy ny fahalalàna an’i Jesosy zoky tia
Mpirahalahy Mpiray tampo i-zao no miaraka manoa
Tenin’Andriamanitra no iveloman’ny fanahy

Andriamanitr’ô tahio ‘ty fikambanana ity
‘Zay natsanganao hitaiza telopolo taon’izao
Mba ho maro hatrany anie ‘reo hanampy isa hino anao
Izay vita sy ny ho a.vy dia ho voninahitrao